Deprecated: mysql_connect(): The mysql extension is deprecated and will be removed in the future: use mysqli or PDO instead in /home/arozaza/public_html/lib/Db.php on line 19
Arozaza

Fifaninanana Nasionaly SLAM Poezia momba ny Herisetra mahazo ny Ankizy

2018-05-31 08:38:38
" Kilonga miaina herisetra, Ankizy iharana fihetsika mamohehatra, Tanora mahita fampijaliana zaza tany ho any Ka manan-kambara mahakasika izany.... "
ANDAO ANDRAY ANJARA AMIN'NY FIFANINANANA Slam Poezia Na iza na iza ianao, Na aiza na aiza eto Madagasikara. Na lahy na vavy, Na mianatra na tsy mianatra, Ka eo anelanelan'ny 12 hatramin'ny 18 taona ...dia afaka mandray anjara Andao ary anomana raki-tsary izay azontsika alaina na amin'ny telefaonina tsotra aza; Mety daholo na amin'ny fiteny Malagasy na Vahiny, Tsy mahazo mihoatra ny 1 minitra anefa izany, ary ho ataontsika miendrika SLAM POEZIA Ohatra amin'ny afaka resahana ao anatin'ny horonantsary ifaninana ny : - zavatra iainan'ny ankizy sy ny tanora isan'andro mahakasika ny herisetra mianjady aminy, - na ny andavan'andro iainan'ny ankizy sy ny tanora mahakasika ny herisetra sy ny vahaolana arosony, - na ny fiantraikan'ny herisetra eo amin'ny ankizy sy tanora sy ny paik'ady tsara ho aroso iarovana amin'izany Ny 7 Jiona no daty farany azo andefasana ny sangan'asa (horonantsary tsy mihoatra ny 1mn). Azo alefa amin'ny adiresy mailaka : "fifaninananaslam@gmail.com" na alefa MP eto amin'ny pejy Fesiboky "Fifaninanana Nasionaly SLAM Poezia momba ny Herisetra mahazo ny Ankizy" ...Araraoty ary fa ny adidy ho vita no sady LOKA MARO no ho zaraina

Actualités